Manoloana ny toe-draharaha ara-pahasalamana misy eto amin’ny Firenena, ny Filan-kevitry ny Minisitra nivory ny alarobia faha-14 aprily 2021 dia namaritra fa mbola mitohy ny fialan-tsasatry ny Paska ho an’ny fianarana any amin’ireo sekoly sy Oniversite rehetra manerana ny Nosy.
Noho izany, mandra-pisian’ny fandaminana manaraka avy amin’ireo sehatra mpiahy (Minisitera, COPRIES, Conseil Scientifique, Université d’Antananarivo), dia ilazana isika Mpampianatra sy Mpianatra rehetra eto amin’ny Toeram-pampianarana Toekarena sy Fitantanana ary Hay ara-piarahamonina (Faculté EGS) fa mbola miato araka izany ny asa ara-pampianarana rehetra : Voakasik’izany ny fampianarana, ny fanadinana, ny tan-tsoroka sahanin’ny Mpampianatra amin’ny fikarohana ataon’ny Mpianatra.
Marihina anefa fa misy hatrany ny « Service minimum » mahakasika ireo asa aman-draharaha mety ho sitrahan’ny rehetra toy ny Diplôme, attestation, relevé des notes, sns.
« Entanina ny rehetra samy hanaja ireo fepetra takiana hisorohana ny fipariahan’izao valan’aretina izao ».
Antananarivo, Alakamisy faha 15 Aprily 2021
Ny Sojabe p.i.
Dr RAVOKATRA A. Seth