TORO-LALANA MOMBA NY FANDAHARAM-POTOANA
26/11/2022UNIVERSITE D’ANTANANARIVO
DOMAINE DES SCIENCES DE LA SOCIETE
FACULTE D’ECONOMIE, DE GESTION ET SOCIOLOGIE
--------------------
MENTION GESTION
TORO-LALANA MOMBA NY FANDAHARAM-POTOANA
28 NOVEMBRA H@ 2 DESAMBRA 2022
Toy izao ny lamina amin’ny fanokafana ny fankalazana ny faha-50 taona ny GESTION sy ny famoahana ny andiany indray mihira MAMIRATRA:
1. Ny alatsinainy 28, ny talata 29 ary ny alarobia 30 novambra 2022: Fizarana “Tickets”, “Toges”, “Pin’s”, “Badge ao @ ao amin’ny Porte 108A amin’ny 10 ora maraina - 4 ora hariva.
1.1 Ticket I : fidirana ahazoana toerana ao amin’ny Cathédrale sy anaty chapiteau
- Ny mpianatra izay mivoaka hanao sortie de promotion dia mahazo tickets 2 avy ho an’ireo mpanotrona azy.
- Natokana ho an’ireo MPANOTRONA izay manana tickets ihany ny fidirana ao amin’ny Cathédrale EGS ho an’ny Licence, ary ao amin’ny Cathédrale Medecine ho an’ny Master sy ny fipetrahana eo amin’ny seza ivelany anaty chapiteau.
1.2 Ticket II : transport en commun makeny amin’ny CCI Ivato
Ny fizarana “Ticket Transport” dia natokana ho an’ireo izay nisoratra anarana mialoha ihany. (Tsy misy intsony ny fandraisana fisoratana anarana vaovao)
1.3 Pin’s sy Badge
Mahazo Pin’s sy Badge ny mpianatra nisoratra anarana amin’ny sortie de promotion.
1.4 Toges
Mitondra photocopie CIN (kara-panondrom-pirenena) amin’ny findramana Toges sy Toques. Tsy maintsy soratana mialoha eo amin’io photocopie io ny numero ao anaty liste sy ny numero téléphone momba anao.
2. Ny alakamisy 01 desambra 2022 manomboka amin’ny 8 ora maraina : Fotoam-pivavavahana lehibe firaisam-pinoana eny amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe.
2.1 Fahatongavana eny an-toerana: amin’ny 7 ora sy sasany maraina
2.2 Samy manao izay ahatongavany eny an-toerana,
2.3 Fitafy mihaja sy maontina ho an’ny rehetra.
2.4 Natao ho an’ny rehetra (mpianatra en salle sy FOAD, mpandraharaha, mpampianatra, havana sy tapaka, vahiny nasaina, sns) io fotoam-pivavahana io.
- Zava-dehibe ny fiombonana koa manantena ny fahatongavan-tsika maro.
3. Fandaharana ny Zoma 02 desambra 2022
- MARAINA
- 05ora 30 - 6ora 30: Fahatongavana eny Ankatso sady Fakana sary (Photobooth).
Hanaovana ny toges ary tonga dia maka sary avy hatrany miaraka amin’ny fianakaviana sy ny tapaka sy namana. Aorian’ny “cérémonie” mantsy tsy misy fakana sary intsony fa efa angonina ny Toges.
- 06ora 30 - 7ora: Fanamariham-pahatongavana (Présence) sy Fakana sary miaraka amin’ny Mpampianatra sy ireo Tompon’andraikitra
- 7ora: Défilé
Miainga eo amin’ny Esplanade Ankatso mankany amin’ny Cathédrale EGS (Licence), Cathédrale Médecine (Master).
Manaraka ny numero ny filaharana, sy fidirana, ary fipetrahana any @ Cathédrales.
- 7ora30: Fanombohan’ny fotoana
- Ny fizarana diploma dia manaraka ny Numéro.
- Mila kinga mamonjy toerana hanomezana ny Diplôme ny tsirairay.
- Marihana fa tsy misy fifanorohana mandritry ny fizarana Diplaoma.
- Tsy azo atao ny mivezivezy maka sary. Efa misy olona voatokana Mpaka sary ho an’ny Promotion.
ATOANDRO
11h: Famaranana ny fotoana: araka ny lamina toy izao
Mivoaka mialoha : Ireo manampahefana (Autorités) sy ny Mpampianatra.
Milahatra manaraka avy eo aoriana ny mpianatra araka ny Numéro,
Tonga dia manantona avy hatrany eo amin’ny Parking manoloana ny Cathédrale Médecine ny Mpianatra nahazo Diploma Licence sy Master ary :
- Manatitra ny Toge sy toque ireo mpianatra nindrana izany,
- Mamerina ny diplaoma izay mbola tsy misy sonian’ny Président an’ny Oniversite.
- Maka ny Numéro ny Fiara ireo manana ticket handeha fiara iombonana.
FANAMARIHANA
1. Ireo mpianatra efa nahazo ny diplaoma dia iangaviana hanao photocopie en couleur ary hanatitra izany ao @ Porte 108A rehefa maka ny “Badge”, “Pins”, “Tickets”.
2. Iangavina hilaza mialoha ao @ Porte 108A ihany koa ireo izay tsy mihinana kisoa rehefa maka ny “Badge”, “Pins”, “Tickets” (izany no atao dia ahafahan’ny Traiteur miomana amin’ny isan’ny sakafo tsy misy kisoa)
3. Ny mpianatra tsirairay hivoaka dia samy mitondra porte badge avokoa hasiana ny numero rehefa amin’ny andron’ny 02 desambra hanatanterahan ny Sortie de promotion.
4. Ny fiaran’ireo mpanotrona dia apetraka eo @ PARKING EGS, na gymnase, na ampitan’ny terrain Basket. Tsy afaka mametraka fiara manodidina ireo Cathédrale ny fianakaviana sy mpanotrona. Ireo fiara iombonana no mipetraka ain’ny Parking manoloana ny Cathédrale Médecine.
5. Rehefa mirava dia tsy misy fangalana sary miaraka amin’ny fianakaviana intsony fa tonga dia samy mamonjy fiara iombonana izay mandeha amin’izany.
6. Ny toge sy toque nindramina sy ny diploma tsy misy sonia dia iangavina mba ho averina amin’io fotoana io.
7. CCI Ivato: Aza hadinoina ny “billet CCI” miaraka amin’ny valopy misy azy fa misy “Checking” ary fizarana ticket sakafo eo amin’ny fidirana (Tehirizo tsara fa iny no alain’ny serveur rehefa hanatitra ireo sakafo samihafa izy).
8. Tompon’andraikitra amin’ny fananany sy ny entany ny tsirairay fa tsy miantoka ny very ny mpikarakara.
9. Mitsahatra avokoa ny fianarana ato amin’ny Mention Gestion ny Alakamisy 01 sy zoma 02 desambra 2022.
10. PRISE DE CONTACT DES ETUDIANTS FOAD GESTION
Date : mercredi 30 Novembre 2022
- à 12 h : L1 FOAD GESTION*
- à 13h : L2, L3, M1 et M2 FOAD GESTION*
Lieu : CATHEDRALE DEGS
Présence obligatoire !
* Prise de contact pour les anciens et les nouveaux étudiants (FOAD GESTION).
Samia ho tahian’Andriamanitra!